Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 139, 1-3,4-6,7-8,9-10,
Fankalazana ny fahalalan'Andriamanitra tsy misy fetra - Nahoana no fantatr'Andriamanitra, nefa avelany haharitra ihany ny tsy marina?

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida.
Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:
       2fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;
tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
       3Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,
ary mahazatra anao ny làlako rehetra.
       4Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza,
efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
       5Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko hianao,
ary apetrakao amiko ny tànanao.
       6Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany,
ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
       7Aiza no halehako lavitra ny fanahinao,
aiza no handosirako lavitra ny tavanao?
       8Raha miakatra any an-danitra aho, any hianao,
raha mandry any amin'ny seoly aho, indro ao hianao.
       9Raha maka ny elatry ny maraina aho,
ka mandeha hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
       10ny tànanao ihany koa no hitarika ahy any,
ary ny tànanao ankavanana no hihazona ahy. >