Ny Salamo

Toko faha-141

1 Salamon'i Davida. Iaveh ô, miantso anao aho, tongava faingana amiko hianao; atongilano ny sofinao amin'ny feoko, raha miantso anao aho.

2 Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako. ary koa ny fanandratako tanana izay toy ny fanatitra takariva !

3 Iaveh ô, asio fiambenana eo amin'ny vavako; ary mpitily eo am-baravaran'ny molotro.

8 Fa hianao no andrandrain'ny masoko, Iaveh Tompo ô; ao akaikinao no itadiavako fialofana: aza mahafoy ny fanahiko!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1328