Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 147, 12-13.14-15.19-20

       <12Ry Jerosalema ô, mankalazà ny Iaveh,
ry Siona ô, miderà ny Andriamanitrao.
       13Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao,
hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
       14Ataony mandry fahizay ny vava taninao,
vokisany vary tsara indrindra hianao.
       15Mandefa ny teniny ho amin'ny tany izy,
faingana dia faingana no fandehan'ny teniny.
       19Izy no nanambara ny teniny tamin'i Jakoba,
sy ny didiny amam-pitsipiny tamin'Israely.
       20Tsy mba nanao toy izany tamin'ny firenena hafa rehetra izy,
ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny.
Aleloia! >