Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 148, 1-2,11-12,13,14,
Hiara-midera an'Andriamanitra anie ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany.

       1Aleloia!
Miderà an'ny Tompo any an-tampon'ny lanitra,
miderà azy any ambony any!
       2Miderà azy hianareo anjeliny rehetra,
miderà azy hianareo tafiny rehetra!
       11mpanjakan'ny tany mbamin'ny vahoaka rehetra,
mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin'ny tany,
       12zatovolahy sy virjiny tanora,
lahiantitra sy zaza.
       13Aoka hidera ny anaran'ny Tompo izy ireo,
fa ny anarany no hany lehibe,
ny voninahiny dia ambonin'ny lanitra sy ny tany.
       14Nanandratra ny fahefan'ny vahoakany izy,
foto-piderana amin'izay rehetra miraiki-po aminy,
dia amin'ny zanak'Israely firenena akaiky azy.
Aleloia! >