Ny Salamo

Toko faha-16

1 Hiran'i Davida. Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.

2 Hoy aho amin'ny Tompo: Tompoko hianao, hianao irery no fananako.

4 Ampitomboin'ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran'ireny eo amin'ny molotro akory.

5 Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; hianao no miantoka ny anjarako

8 Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh, fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho.

11 Hampahafantarinao ahy ny làlan'ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan'ny tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2421