Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 31, 3cd-4,6ab,7b,8a,17,21ab,

       <3Atongilano amiko ny sofinao; faing├ána hamonjy ahy.
Aoka ho vatolampy fiarovana ahy hianao,
ho trano mimanda hahitako famonjena.
       4Fa hianao no vatolampy sy trano mimandako;
ary noho ny anaranao dia hitondra sy hitarika ahy hianao.
       6Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,
dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
       7Halako izay manaja sampy foana:
fa raha izaho dia Iaveh no itokiako.
       8Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho;
fa nijery ny fahantrako hianao,
nahita ny fahorian'ny fanahiko hianao,
       17Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny fahasoavanao aho!
       21Alofanao eo amin'ny aloky ny tavanao izy;
mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy;
mampiery azy ao an-dainao hianao,
mba tsy ho azon'ny lela mamely azy izy. >