Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 31, 5-6,14,15-16,

       <5Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato novelariny hianao;
fa hianao no fiarovana ahy.
       6Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,
dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
       14Reko avokoa ny vava ratsin'ny be sy ny maro,
ny fangorohoroana mahazo ny manodidina,
raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo,
fa miray tetika hamono ny aiko.
       15Nefa matoky anao aho, ry Iaveh,
hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.
       16Eo an-tànanao ny anjarako,
afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho! >