Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 32, 1-2.5.6.7
Ny hasambaran'izay voavela heloka.

       1Nataon'i Davida. Fisaintsainana masina.
Sambatra izay voaesotra ny helony,
sy voavela ny fahotany.
       2Sambatra ny olona tsy tànan'ny Tompo heloka,
izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
       5Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.
Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin'ny Tompo aho,
dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.
       6Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin'ny fotoana mety.
Marina, fa amin'ny fahatondrahan'ny rano be,
dia tsy hahatratra azy izany.
       7Hianao no fialofako; hiaro ahy amin'ny fahoriana hianao,
hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà. >