Ny Salamo

Toko faha-33

1 Mifalia ao amin'ny Tompo hianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.

2 MiderĂ  an'ny Tompo amin'ny harpa, mihirĂ  ho azy amin'ny valiha tory folo.

4 Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.

5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.

10 Manakorontana ny fisainan'ny firenena Iaveh, mahatsinontsinona ny hevitry ny vahoaka izy.

11 Fa ny hevitry ny Tompo kosa maharitra mandrakizay; ny fisainan'ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0492