Ny Salamo

Salamo toko 37. 3-4,5-6,27-28ab,39-40ac

       3 BETH
Matokia an'ny Tompo, ary manaova soa;
monena amin'ny tany ary manarana fo amin'ny fahatokiany.
       4 Iaveh no ataovy firavoravoanao,
dia omeny anao izay irin'ny fonao.
       5 GHIMEL
Ankino amin'ny Tompo ny anjaranao,
dia matokia, azy, fa dia hanao izy;
       6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;
ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
       27 SAMECH
Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
       28 Fa tian'ny Tompo ny rariny,
ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.
Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
       39 THAV
Avy amin'ny Tompo no ihavian'ny famonjena ny marina;
mpiaro azy amin'ny andron'ny fahoriana izy.
       40 Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;
manafaka amin'ny ratsy fanahy sy mamonjy azy izy,
satria izy no nataony fototry ny fitokiany.