Ny Salamo

Toko faha-40

2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.

3 Notsoahany tamin'ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin'ny fotaka mandrevo; najorony tamin'ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.

4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.

18 Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Hianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitro รด!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108