Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 40, 7-8a,8b-9,10,17,

       <7Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,
notevehinao ny sofiko;
tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
       8Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga,
miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
       9Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô!
ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.
       10Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho;
sy hanakombona ny molotro aho,
fantatrao izany, ry Iaveh ô
       17Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie,
izay rehetra mitady anao!
Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo!
ireo tia ny famonjenao. >