Ny Salamo
Toko faha-4
2 Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao, hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.3 Ry zanak'olombelona ô, mandra-pahoviana no ho voatsiratsira ny voninahitro? Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana, sy hitadiavanareo ny lainga? - Selà.
4 Fantatro fa efa nofantenan'ny Tompo ho azy ny olon-tia vavaka iray; ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.
5 Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà.
7 Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
8 Fa hianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin'ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divainy vaovao.