Ny Salamo
Salamo toko 51. 3-4,18-19,20-21ab
3 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, araka ny fiantranao;
vonoy ny hadisoako, araka ny haben'ny famindram-ponao.
4 Sasao tanteraka aho amin'ny heloko,
ary diovy aho amin'ny fahotako.
18 Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; -
tsy mahafaly anao ny sorona dorana.
19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra;
aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.
20 Manaova soa be ho an'i Siona, araka ny hatsaram-ponao,
atsangano ny mandan'i Jerosalema.
21 Dia hankasitrahanao ny sorom-pahamarinana,
ny sorona dorana ary ny fanatitra lavorary;
ka dia hanaterana ombalahy eo ambonin'ny otelinao.