Ny Salamo
Salamo toko 5. 2-3,5-6ab,6c-7
2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh,
henoy ny sentosentoko.
3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro,
fa hianao no andefasako ny fivavahako.
5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy;
ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.
6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao;
ny mpanao ratsy halanao avokoa.
7 Ny mpiteny lainga aringanao;
ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.