Ny Salamo

Toko faha-5

2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh, henoy ny sentosentoko.

3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa hianao no andefasako ny fivavahako.

4 Iaveh รด! vao maraina dia mandre ny feoko hianao: vao maraina dia atolotro anao ny faniriako ka miandry aho.

5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.

6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy halanao avokoa.

7 Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1577