Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 62, 2-3.6-7.9

       <2Eny, Andriamanitra no iantombenan'ny fanahiko amim-piadanana,
izy no ihavian'ny famonjena ahy.
       3Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy,
trano mimandako; ka tsy hangozohozo indrindra aho.
       6Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin'Andriamanitra,
fa avy aminy no ihavian'ny fanantenako.
       7Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy,
trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.
       9Matokia azy mandrakizay, rey vahoaka;
aborahy eo anatrehany ny fonareo;
Andriamanitra no fialofantsika. - Selà. >