Ny Salamo

Toko faha-66

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.

2 Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana azy.

3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.

4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an'ny voninahitrao, hankalaza ny anaranao!

5 Avia ka banjino ny asan'Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin'ny zanak'olombelona.

6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina, ka nandeha an-tongotra namaky ny ony ny olona, dia nifaly taminy izahay.

7 Manjaka mandrakizay amin'ny fahefany izy; mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. SelĂ .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0677