Ny Salamo

Toko faha-66

8 Misaora an'Andriamanitra, ry vahoaka, ataovy manakoako ny fiderana azy.

9 Nitahiry ny fanahintsika amin'ny fiainana izy ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.

16 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra, izay nataony ho an'ny fanahiko.

17 Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana azy.

20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavahako, na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1226