Ny Salamo

Toko faha-67

2 Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra! hampamirapiratra ny tavany amintsika anie izy! - Selà.

3 mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny làlanao, ary amin'ny firenena rehetra, ny famonjenao!

5 Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana, fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana hianao sy mitondra ny firenena ambonin'ny tany.

7 Efa nahavokatra ny tany; hotahian'Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!

8 Hotahian'Andriamanitra anie isika! ary hanaja azy anie ny vazan-tany rehetra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1529