Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 80, 2ac,3b,15abc-16,18b,

       <2Ry mpiandry an'Israely ô, mihainoa!
hianao izay mitondra an'i Josefa toy ny andian'ondry,
hianao izay mipetraka eo amin'ny Kerobima, misehoa amin'ny voninahitrao.
       3Eo anoloan'i Efraima, Benjamina, Manase,
fohazy ny herinao,
ka avia hamonjy anay.
       15Ry Andriamanitry ny tafika, miverena,
mitsinjova eny an-danitra, ary jereo,
ka diniho ity voaloboka!
       16Arovy izay nambolen'ny tànanao ankavanana,
sy ny zanaka izay nofidinao ho anao!...
       18Aoka ny tànanao ho amin'ny olon'ny tànanao ankavanana,
amin'ny zanaky ny olona nofidinao ho anao. >