Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 84, 3.4.5-6a.8a

       <3Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan'ny Tompo;
mientana ho amin'Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.
       4Ny fody aza mahita fonenana,
ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany;
ny otelinao, ry Iavehn'ny tafika,
ry mpanjakako sy Andriamanitro!
       5Sambatra izay monina ao an-tranonao!
Mbola mahazo midera anao izy ireo! - SelĂ .
       6Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao;
tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy.
       8Mitombo hery eny am-pandehanana izy,
ary miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Siona; >