Ny Salamo

Toko faha-84

3 Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan'ny Tompo; mientana ho amin'Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.

4 Ny fody aza mahita fonenana, ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany; ny otelinao, ry Iavehn'ny tafika, ry mpanjakako sy Andriamanitro!

5 Sambatra izay monina ao an-tranonao! Mbola mahazo midera anao izy ireo! - SelĂ .

6 Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao; tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy.

8 Mitombo hery eny am-pandehanana izy, ary miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Siona;

11 Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran'ny tranon'ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain'ny ratsy fanahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1637