Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 89, 2-3.4-5.27.29

       <2Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo aho:
hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.
       3Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay;
naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
       4Efa nanao fanekena tamin'ilay nofidiko aho;
fianianana efa nataoko tamin'i Davida mpanompoko,
       5fa ta-hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao aho,
sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin'ny taranaka rehetra. - SelĂ .
       27Izy hiantso ahy hoe: Hianao no raiko,
sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.
       29Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay aho;
ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana. >