Ny Salamo

Toko faha-89

4 Efa nanao fanekena tamin'ilay nofidiko aho; fianianana efa nataoko tamin'i Davida mpanompoko,

5 fa ta-hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin'ny taranaka rehetra. - SelĂ .

27 Izy hiantso ahy hoe: Hianao no raiko, sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.

28 Ary izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.

29 Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay aho; ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.

30 Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany; ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron'ny lanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931