Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 8, 2,5,6-7,8-9,

       <2Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao, amin'ny tany rehetra!
Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
       5Inona ny olombelona no mba tsarovanao?
ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?
       6Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy,
nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.
       7Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy,
napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:
       8omby aman'ondry tsy ankanavaka,
mbamin'ny biby any an-tsaha;
       9voro-manidina aman-kazan-dranomasina,
mbamin'izay mitety ny làlan-dranomasina. >