Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 96, 1.3.4-5.7-8.9-10a.10c
Fiderana sy fanomezam-boninahitra miara-be an'Iaveh, izay ho avy hitsara ny tany.

       1Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo!
Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.
       3ambarao amin'ny firenena ny voninahiny,
ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.
       4Fa lehibe Iaveh sy mendrika ny fiderana rehetra,
mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra izy,
       5fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena.
Fa Iaveh no nanao ny lanitra.
       7Manomeza an'ny Tompo, ry fokom-pirenena rehetra,
manomeza voninahitra amam-pahefana an'ny Tompo.
       8Omeo an'ny Tompo ny voninahitra mendrika ny anarany.
Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
       9Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fanamiana masina,
mangovita eo anatrehany hianareo monina amin'ny tany rehetra!
       10Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka;
ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao;
hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy, >