Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 96, 1-2,3,10ac,11-12,13,
Fiderana sy fanomezam-boninahitra miara-be an'Iaveh, izay ho avy hitsara ny tany.

       1Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo!
Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.
       2Mihirà ho an'ny Tompo, misaora ny anarany.
Lazao isan'andro ny famonjeny,
       3ambarao amin'ny firenena ny voninahiny,
ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.
       10Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka;
ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao;
hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,
       11Aoka hifaly ny lanitra,
sy hiravoravo ny tany.
Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
       12aoka ho miramirana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy,
aoka hihoby ny hazo rehetra any an'ala,
       13eo anatrehan'ny Tompo fa avy izy.
Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy,
ary ny firenena, araka ny fahamarinany. >