Ny Salamo

Toko faha-97

1 Mpanjaka Iaveh: aoka hifaly ny tany; Aoka hiravoravo ny nosy maro!

2 Rahona aman'aloka no manodidina azy, rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.

6 Ny lanitra mitory ny fahamarinany, ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

7 Hangaihay izay rehetra mivavaka amin'ny sarin-javatra, izay mirehareha amin'ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.

9 satria hianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra; hianao dia tafasandratra indrindra ambonin'ny andriamanitra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663