Boky Voalohan'i Samoela

Samoela I toko 2. 1,4-5ab,6-7,8abcd)
Tonon-kira nataon'i Annà - Ny ratsy nataon'ny zanak'i Helì, sy ny nanaovan-drainy rainazy tamin'izany.

       1 Ary nivavaka Anna, ka nanao hoe:
Ny foko misomebin-kafaliana amin'Iaveh,
ny tandroko nasandratr'Iaveh,
ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko;
fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
       4 Ny olo-mahery tapa-tsipìka
fa ny osa kosa misikina hery.
       5 Ny voky taloha mikarama mofo,
fa ny noana kosa afa-kanoanana;
ny momba aza miteraka fito,
fa ny maro anaka kosa mihamalazo.
       6 Iaveh no mahafaty sy mahavelona;
mampidina any amin'ny fonenan'ny maty sy mampiakatra avy any koa.
       7 Iaveh no mampahantra sy mampanan-karena.
Izy no mampietry sy manandratra.
       8 Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra;
atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana,
hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka,
ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany.

Fa an'Iaveh ny andrin'ny tany,
ary teo amboniny no nametrahany ny tany.