Boky Faharoan'ny Tantara

Tantara II toko 19
Nanome tsiny an'i Josafata, Jehò mpaminany, noho ny nihavanany tamin'i Akaba - Fanatsarana ny fitondram-panjakana sy ny fitsarana.

       1 Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema Josafata mpanjakan'i Jodà, 2 dia nitsena azy Jehò, mpahita, zanak'i Hananì, ka hoy izy tamin'i Josafata mpanjaka: Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an'Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin'Iaveh. 3 Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin'ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra hianao.
       4 Nitoetra tao Jerosalema Josafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, dia nampivereniny amin'Iaveh Andriamanitry ny razany. 5 Nanendry mpitsara amin'ny tany izy, amin'ny tanàna mimanda, amin'i Jodà, isan-tanàna. 6 Ka nilaza tamin'ny mpitsara izy nanao hoe: Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an'olombelona no hitsaranareo, fa ho an'Iaveh; izy no homba anareo rahefa mitsara hianareo. 7 Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an'Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin'Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly.
       8 Tao Jerosalema koa, rahefa tafaverina tao amin'io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin'Israely, Josafata, ho amin'ny fitsaran'Iaveh sy ny adin'olona. 9 Ka nanome didy azy izy nanao hoe; Hataonareo amim-pahatahorana an'Iaveh izany sy amim-pahamarinana ary amin'ny fo mahitsy. 10 Amin'ny ady rehetra entin'ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin'ny momba ny fanavahana ny vonoan'olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin'Iaveh sy tsy hiharan'ny fahatezerany aminareo sy amin'ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo. 11 Indro Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin'ny raharahan'Iaveh rehetra; ary Zabadiasa zanak'Ismaely mpanapaka ny taranak'i Jodà, amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manam-boninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie Iaveh.