Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

1 Tesalonisiana toko 5, 1-6.
Tsy fantatra ny andro - Ny fiomanana tsy maintsy atao - Famaranan-teny sy fanaovam-beloma.

       1Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, 2satria efa mahalala marina rahateo hianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy.
       4Hianareo anefa, ry rahalahy, dia tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany; 5fa zanaky ny mazava avokoa hianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an'ny alina isika, na an'ny maizina akory. 6Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina. >