Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Tesalonisiana II toko 1
Fiarahabana - Fisaorana an'Andriamanitra - Hisy hamaly ny mpanenjika.

       1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonì ka izay tafaray ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo.
       3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany. 4 Tonga reharehanay any amin'ny Eglizin'Andriamanitra hianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin'ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. 5 Famantarana ny hamarinan'ny fitsaran'Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay antony iaretanareo hianareo.
       6 Satria, moa tsy izao va no rariny amin'Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an'izay mampahory anareo, 7 sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahoriana, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan'ny afo miredareda, Jeso Tompo mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin'i Jeso Tompontsika? 9 Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny tavan'ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an'ireny, 10 amin'ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra azy eo amin'ny olo-masiny, sy higagana azy eo amin'izay rehetra nino; ary hianareo dia nino ny fanambaranay ny Evanjely teo aminareo. 11 Mandra-pihavin'izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon'ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo hianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan'ny finoanareo, 12 ka hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jeso Tompo, sy hianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan'ny Andriamanitsika sy Jeso-Kristy Tompo.