Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

1 Timote toko 1, 15-17.
<15Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tety an-tany ny Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; 16fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan'ny Kristy Jesoa ny haben'ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an'izay hino azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 17Ho an'ny Mpanjakan'ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. >