Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko faha-2

1 Fa hianao kosa, milazĂ  izay mety araka ny fampianarana marina;

2 amin'ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin'ny finoana sy amin'ny fitiavana ary amin'ny fandeferana; 3 amin'ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin'ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara, 4 mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, 5 hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokan-tranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin'Andriamanitra. 6 Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, 7 ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin'ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, 8 marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika. 9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana,

10 tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika. 11 Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,

12 mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony, marina, tia vavaka, 13 miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa-Kristy, 14 izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an'ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra. 15 Izany no tsy maintsy hotorinao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087