Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Tito toko 2, 11-14.3
<3amin'ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin'ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,
       11Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra, 12mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony, marina, tia vavaka, 13miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa-Kristy, 14izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an'ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra. >