Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 6
Ny nampitomboan'i Jeso ny mofo dimy - Ny mofon'aina - Ny nandehanany teny ambonin'ny ranomasina - Izay tena mofo avy any an-danitra - Izy Jeso no ilay tena mofo avy any an-danitra.
1 Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin'ny ranomasin'i Galilea, na ny farihin'i Tiberiady Jeso, 2 ary vahoaka be no nanaraka azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin'ny marary. 3 Dia niakatra tany an-tendrombohitra Jeso, ka nipetraka teo izy mbamin'ny mpianany. 4 Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin'ny Jody.
5 Nony nanopy ny masony Jeso, ka nahita ireto vahoaka be nanatona azy, dia hoy izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo? 6 Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an'izany. 7 Dia hoy Filipo taminy: Na dia mofo-na denie roan-jato aza, tsy ampy hahazoan'izy ireo sombiny kely avy akory. 8 Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia Andre rahalahin'i Simona Piera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy anankiray manana mofo orja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin'ny olona maro be toy izao? 10 Dia hoy Jeso: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 11 Dia nandray ny mofo Jeso, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin'izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo. 12 Rahefa voky izy ireo, dia hoy Jeso tamin'ny mpianany: Angony ny sombitsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ny sombitsombin'ny mofo dimy sisa tsy lanin'izay nihinana.
14 Nony nahita ny fahagagana nataon'i Jeso ireo olona ireo, dia nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin'izao tontolo izao. 15 Dia fantatr'i Jeso fa ho avy haka azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray izy irery nankany an-tendrombohitra.
16 Nony hariva ny andro, nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianany, 17 dia niondrana tamin'ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin'izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy Jeso, 18 ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. 19 Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stady izy ireo, dia nahita an'i Jeso nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. 20 Fa hoy izy taminy: Izaho ihany, fa aza matahotra. 21 Dia naniry handray azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasainy haleha ny sambo.
22 Nony ampitso, tsaroan'ny vahoaka izay nijanona teny an-dafin'ny ranomasina fa tsy nisy afatsy sambo kely anankiray no teo, ary Jeso tsy niara-niondrana an-tsambo tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; 23 nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin'ny tany nanomezan'ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra izy. 24 Dia niondrana tamin'ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo Jeso na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an'i Jeso. 25 Ary rahefa hitany teny an-dafin'ny ranomasina izy, dia nilazany hoe: Raby, oviana no tonga teto hianao?
26 Dia namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo: Hianareo no mitady ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. 27 Miasà hianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. 28 Ary hoy izy ireo taminy: Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Namaly Jeso ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo ilay nirahiny. 30 Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an'efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny. 32 Dia hoy Jeso taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; 33 satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an'izao tontolo izao no mofon'Andriamanitra. 34 Ary hoy izy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Dia hoy Jeso taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay. 36 Fa efa voalazako taminareo, fa nahita ahy hianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Ray ahy no hanatona ahy, ary izay manatona ahy dia tsy horoahiko any ivelany, 38 satria izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon'izay naniraka ahy. 39 Ary izao no sitra-pon'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin'ny farandro. 40 Satria izao no sitra-pon'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro.
41 Dia nimonomonona taminy ny Jody satria izy nanao hoe: Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra. 42 Moa tsy Jeso zanak'i Josefa va ity, hoy izy ireo, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana ary no anaovany hoe: Nidina avy any an-danitra aho? 43 Fa namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona hianareo. 44 Tsy misy olona mahay manatona ahy akory raha tsy taomin'ny Ray izay naniraka ahy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 45 Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin'ny Ray ka nianatra taminy no manatona ahy. 46 Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa ilay avy amin'Andriamanitra no hàny nahita ny Ray. 47 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
48 Izaho no mofon'aina. 49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an'efitra, nefa maty ihany; 50 tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. 51 Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: 52 raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. 53 Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? 54 Fa hoy Jeso tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. 55 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 56 Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 57 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. 58 Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. 59 Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.
60 Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin'ny sinagoga tany Kafarnaoma izy. 61 Betsaka tamin'ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany? 62 Ary fantatr'i Jeso tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka hoy izy taminy: Mahatafintohina anareo va izany? 63 Hanao ahoana hianareo, raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay toerany taloha. 64 Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. 65 Nefa misy tsy mino aminareo. Fa fantatr'i Jeso hatramin'ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika azy. 66 Ary hoy izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 67 Hatramin'izay dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. 68 Ka hoy Jeso tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 69 Dia namaly Simona Piera ka nanao taminy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay; 70 ary izahay efa nino sy nahalala fa hianao no ilay Masin'Andriamanitra. 71 Jeso namaly azy ireo hoe: Moa tsy izaho no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy? nefa demony ny iray aminareo. 72 Jodasy zanak'i Simona Iskariota no nantsoiny, fa io, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, no hamadika azy.