Ny Salamo
Salamo toko 121
Ny mpiaro an'Israely.
1 Fihirana fiakarana.
Manopy maso eny amin'ny tendrombohitra aho:
Avy aiza no hihavian'ny famonjena ahy?
2 Ny famonjena ahy dia avy amin'Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy havelany ho tafintohina ny tongotrao;
tsy ho rendremana ilay miambina anao.
4 Tsia, tsy rendremana na matory
ilay miambina an'Israely.
5 Iaveh no mpiambina anao,
Iaveh no fialofanao, eo an-kavananao.
6 Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin'ny andro,
na ny volana amin'ny alina.
7 Hiaro anao amin'ny ratsy rehetra Iaveh,
hiaro ny fanahinao izy.
8 Hiaro anao Iaveh, na mivoaka na miditra hianao,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.