Jenezy toko 18 (tohiny)
27Fa hoy indray Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.
28Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: Tsy handringana azy aho, raha mahita olo-marina dimy amby efa-polo ao.
29Dia mbola niteny taminy ihany Abrahama, ka nanao hoe: Angamba ho efa-polo ny olo-marina ao. Ary hoy izy: Tsy hanao izany aho, noho ny fitiavako an'izy efa-polo ireo.
30Ary hoy Abrahama: Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telo-polo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy hanao izany aho raha telo-polo no hitako ao. 31Hoy Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho, angamba roa-polo izy no ho hita ao. Ary hoy izy: Tsy handringana ny tanàna aho raha roa-polo izy. 32Hoy Abrahama: Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy handringana azy aho noho ireo folo ireo. 33Lasa nandeha Iaveh nony tapi-niteny tamin'i Abrahama, ary Abrahama kosa dia nody.
Jenezy toko 19
Ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora - Ny nihavian'ny Amonita sy ny Moabita.
1Dia tonga tao Sodoma ny Anjely roa, nony hariva; ary Lota tamin'izay nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma. Vao nahita azy ireo Lota dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: 2Izao re mba miantranoa, tompoko, aty amin'ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa hianareo, dia hanohy ny dianareo hianareo. Hoy ny navalin'izy ireo: Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina. 3Nitambezo mafy tamin'izy ireo anefa Lota ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo. 4Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sodoma, hatramin'ny ankizy ka hatramin'ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin'ny tanàna manontolo. 5Niantso an'i Lota izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy. 6Nivoaka ho any amin'izy ireo teo am-baravarana Lota, ka nakatony avy eo ivohony ny varavarana, 7Dia hoy izy: Aoka re, ry rahalahy, mifona aminareo aho, aza dia manao ratsy lahy! 8Manan-janaka roa vavy aho, ka tsy mbola nahalala lahy akory izy, ka ireo no aoka havoakako ho aty aminareo, hanaovanareo izay sitrakareo. Fa aza manao na inona na inona amin'izy roa lahy ireo, fa izany no nidirany hialoka ato ambanin'ny tafon-tranoko.
9Hoy ny navalin'iretsy: Mialà eo ialahy. Sady nampiany hoe: Vahiny ilay io no tonga taty; nefa indro manao azy ho mpitsara izy. Iny ary hataonay mafimafy kokoa ny hanjo anao fa tsy tahaka azy ireo. Dia nasian'izy ireo tosi-mahery Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana izy. 10Naninjitra ny tànany anefa izy roa lahy, ka Lota nosintoniny hankao aminy ao an-trano, dia nakatony ny varavarana. 11Fa ry zareo tao am-baravaran'ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin'ny kely ha hatramin'ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana. 12Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota: Inonao avy koa no mbola eto? Na vinantolahy, na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin'ity toerana ity avokoa; 13fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin'ny mponina eto ho eo anatrehan'ny Tompo; ka nirahin'ny Tompo izahay handrava azy. 14Dia nivoaka Lota, ka nilaza tamin'ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: mitsangàna hianareo, mialà amin'ity fitoerana ity, fa horavan'ny Tompo ny tanàna. Nataon'ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
15Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan'ny Anjely Lota nataony hoe: Mitsangàna hianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty hianao amin'ny loza hanasaziana ny tanàna. 16Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin'izy roa lahy tamin'ny tànany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian'ny Tompo ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan'ny tanàna. 17Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin'ireo anjely: Mandosira fa mihatra amin'ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin'ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty hianao. 18Hoy Lota tamin'izy ireo: Tsia Tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao: 19ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin'ny mpanomponao hianao, tamin'ny namelanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty. 20Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho. 21Dia hoy izy taminy: Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io. 22Fa mandehana faingana àry handositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao hianao. Izany no nanaovana ny anaran'io tanàna io hoe Segora.
23Niposaka tamin'ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segora Lota. 24Tamin'izay dia nalatsak'Iaveh tamin'i Sodoma sy Gomora ny afo sy solifara avy any amin'ny Tompo any an-danitra, 25ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin'ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin'ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin'ny tany. 26Niherika ny vadin'i Lota, ka zary andry sira.
27Nifoha maraina koa Abrahama, dia nankany amin'ilay toerana nijanonany teo anatrehan'ny Tompo. 28Nitazana nankany Sodoma sy Gomora mbamin'ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin'ny tany toy ny setroka avy amin'ny memy.
29Nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin'ny tany lemaka, ka nanafaka an'i Lota tamin'ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan'i Lota.
30Niakatra avy tao Segora Lota, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segora. Dia nipetraka tao amin'ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy. 31Ary hoy ilay zokiny tamin'ny zandriny: Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin'ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon'ny tany rehetra, 32ka handeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika, mba hananantsika fara mandimby, avy amin'ny raintsika. 33Ny alin'izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa rainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany. 34Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin'ny zandriny: Efa nandry tamin'i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehàna handry aminy hianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin'ny raintsika. 35Ny alin'iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany. 36Ary samy nanan-janaka tamin-drainy ny zanak'i Lota roa vavy. 37Ny zokiny nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Moaba, io no rain'ny Moabita mandraka androany. 38Ny zandriny koa nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Benamy; io kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
Jenezy toko 20
Ny nitoeran'i Abrahama tao Jerara - Abimeleka.
1Nifindra niala teo Abrahama, dia nankany amin'ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan'i Kadesa sy Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy. 2Sarà vadiny nolazain'i Abrahama hoe: anabaviko io. Naniraka olona haka an'i Sarà Abimeleka mpanjakan'i Jerara. 3Tonga tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro ho faty hianao, noho ny amin'ny vehivavy nalainao, fa vadin'olona izy.
4Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa Abimeleka ka namaly hoe: Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza? 5Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tànana madio no nanaovako izany.