Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 Manaraka  Farany
Jenezy toko 20 (tohiny)
6Dia hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izany no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy hianao. 7Koa ankehitriny avereno ny vadin'io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona hianao. Fa raha tsy averinao io fantaro fa ho faty mihitsy hianao dia hianao mbamin'izay rehetra ambany fahefanao.
       8Vao maraina dia nantsoin'i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo. 9Dia nantsoin'i Abimeleka koa Abrahama ka hoy izy taminy: Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao. 10Dia hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Fa nihevitra inona hianao, no dia nanao izany? 11Ary izao no navalin'i Abrahama: Hoy aho anakampo: Tsy misy tahotra an'Andriamanitra kely akory angamba amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho, noho ny amin'ny vadiko. 12Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak'i dada, fa tsy zanak'ineny, ka dia novadiko. 13Nony nampivezivezen'Andriamanitra lavitra ny tranon'i kaky aho, dia hoy aho tamin'i Sarà: Izao no fitia angatahiko ataonao amiko: Any amin'izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.
       14Dia naka omby sy ondry sy ankizilahy amin'ankizivavy Abimeleka ka nomeny an'i Abrahama, ary Sarà vadiny naveriny taminy koa. 15Hoy Abimeleka: Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin'izay tianao. 16Ary hoy koa izy tamin'i Sarà: Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin'izay rehetra eo aminao sy amin'ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny hianao izao.
       17Ary nifona tamin'Andriamanitra Abrahama dia nositranin'Andriamanitra Abimeleka sy ny vadiny amam-panompovaviny, ka niteraka ireo. 18Fa efa nataon'ny Tompo momba ny kibon'ny ankohonan'i Abimeleka rehetra noho ny amin'i Sarà vadin'i Abrahama.
Jenezy toko 21
Ny nahaterahan'Isaaka - Ny nandroahana an'Ismaely - Ny faneken'i Abrahama tamin'i Abimeleka.

       1Namangy an'i Sarà Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin'ny Tompo tamin'i Sarà ny efa nampanantenainy. 2Nanana anaka Sarà ka nitera-dahy tamin'i Abrahama, tamin'ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain'Andriamanitra azy. 3Ary ny anaran'ilay zaza teraka taminy, naterak'i Sarà taminy, dia nataon'i Abrahama hoe Isaaka. 4Nony teraka havaloana izy dia noforan'i Abrahama, araka ny efa nandidian'Andriamanitra azy. 5Efa zato taona Abrahama tamin'ny nahaterahan'Isaaka zanany. 6Ary hoy Sarà: Efa nomen'Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko. Hoy koa izy:
       7Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin'i Abrahama hoe: Hampinono zaza Sarà? Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho.
       8Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe Abrahama tamin'ny andro nanotazana an'Isaaka. 9Ilay zanak'i Agara Ejipsiana naterany tamin'i Abrahama kosa, hitan'i Sarà fa nihomehy, 10ka hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin'ny zanako, amin'Isaaka. 11Nampalahelo mafy an'i Abrahama izany teny izany, noho ny amin'ny zanany. 12Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aza atao mampalahelo anao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin'i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranaka hitondra ny anaranao. 13Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.
       14Dia nifoha maraina koa Abrahama, ka naka mofo sy rano eran'ny siny hoditra anankiray; nomeny an'i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an'efitr'i Bersabea tany. 15Nony lany ny rano tamin'ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza; 16ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipika; fa hoy izy: Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan'ny zaza. Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany. 17Andriamanitra nandre ny feon'ny zaza, ka ny Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an'i Agara nanao hoe: Fa maninona izato hianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon'Andriamanitra ny feon'ny zaza, ao amin'ny toerana misy azy. 18Mitsangàna hianao, areno ny zaza, ka tantano izy, fa hataoko firenena lehibe izy. 19Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza. 20Nomban'Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an'efitra izy, sy tonga mpandefa tsipika. 21Nonina tany amin'ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin'ny tany Ejipta.
       22Tamin'izany andro izany, Abimeleka narahin'i Fikola, filohan'ny tafiny, niteny tamin'i Abrahama hoe: Omban'Andriamanitra hianao amin'izay rehetra ataonao. 23Koa mianiàna amiko eto amin'ny anaran'Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko hianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin'ity tany onenanao koa. 24Hoy Abrahama: Hianiànako izany. 25Nanome tsiny an'i Abimeleka anefa Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan'ny mpanompony an-keriny. 26Hoy ny navalin'i Abimeleka: Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa hianao tsy nampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao. 27Dia naka ondry aman'omby Abrahama, natolony an'i Abimeleka ka nifanao fanekem-pihavanana izy roa lahy. 28Ary nanavaka ondrivavy kely fito tamin'ny biby fiompiny Abrahama. 29Ka hoy Abimeleka taminy: Inona ireo ondrivavy kely fito navahanao ireo? 30Hoy ny navaliny: Horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo mba ho vavolombelona ho ahy fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io. 31Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana. 32Nanao fanekem-pihavanana tao Bersabea izy ireo. Rehefa vita izany dia niainga Abimeleka sy Fikola, filohan'ny tafiny, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistìna. 33Namboly tamarisa tao Bersabea Abrahama, ary niantso ny anaran'ny Tompo Andriamanitra mandrakizay teo izy. 34Naharitra ela no nitoerany tany amin'ny Filistìna.
Jenezy toko 22
Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama - Ny taranak'i Nakora.

       1Taorian'izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Ry Abrahama ô! Ary hoy izy: Inty aho. 2Dia hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao. 3Nifoha maraina koa Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roalahy tamin'ny mpanompony hiaraka aminy, sy Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, dia niainga nankany amin'ny tany efa nolazain'Andriamanitra azy.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 Manaraka  Farany