Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
Voalohany  < 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 Manaraka  Farany
Jenezy toko 22 (tohiny)

       4Nony tamin'ny andro fahatelo, nanopy ny masony Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana, 5dia nilaza tamin'ireto mpanompony Abrahama nanao hoe: Mijanòna eto amin'ny ampondra hianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray. 6Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, ka natataony an'Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy Isaaka tamin'i Abrahama rainy: 7Dada ô! Ka hoy ny navaliny: Inty aho, anaka. Dia hoy Isaaka: Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak'ondry atao sorona dorana kosa no aiza? 8Hoy ny navalin'i Abrahama: Hataon'Andriamanitra izay hahitana ny zanak'ondry hatao sorona dorana, anaka. Dia niara-nandeha izy mianaka.
       9Nony tonga teo amin'ny fitoerana natoron'Andriamanitra azy izy, dia naorin'i Abrahama teo ny otely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony Isaaka zanany, ka napetrany tambonin'ny otely eo ambonin'ny kitay. 10Dia naninjitra ny tànany Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. 11Tamin'izay niantso tany an-danitra ny Anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Abrahama! ry Abrahama ô! ka hoy ny navaliny: Inty aho. 12Dia hoy ny anjely: Aza manainga ny tànanao hamely ny zaza, ary aza manino-maninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, sady tsy nandà hianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho ahy. 13Ary nanopy maso Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr'ala tamin'ny tandrony; dia lasa Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon'ny zanany. 14Ary nataon'i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran'io fitoerana io. Ary avy amin'izany ilay fitenenan'ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.
       15Ary ny anjelin'ny Tompo niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: 16Efa nianiana tamin'ny tenako aho, hoy Iaveh, fa noho hianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, ho ahy, 17dia hanisy soa anao aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony. 18Amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao.
       19Dia niverina nankeny amin'ny mpanompony Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea Abrahama.
       20Taty aorian'izany, nisy nampandre vaovao tamin'i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin'i Nakora rahalahinao koa Melkà, 21dia Hosa lahimatoany, Boza lahiaivo, Kamoela rain'i Arama, 22Kaseda, Azao, Feldasa, Jedlafa ary Batoela. 23Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak'i Melkà tamin'i Nakora rahalahin'i Abrahama.
       24Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an'i Tabea sy Gahama, ary Toasy sy Maakà.
Jenezy toko 23
Ny nahafatesan'i Sarà, sy nandevenana azy tao Makpelà.

       1Ny andro niainan'i Sarà dia fito amby roa-polo amby zato taona, izany no taona niainany. 2Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin'ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an'i Sarà sy hitomany azy. 3Dia nitsangana Abrahama niala teo anilan'ny maty, ka niteny tamin'ny zanak'i Heta hoe: 4Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy. 5Dia namaly an'i Abrahama ny zanak'i Heta, ka nanao taminy hoe: 6Henoy izahay, Tompokolahy; andrian'Andriamanitra no eto aminay hianao, ka aleveno amin'izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin'ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin'ny vadinao.
       7Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak'i Heta, 8ary nanao taminy hoe: Raha tianareo ny hanalako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anoloako ka handevenako azy, dia henoy aho, ary mangataha ho ahy amin'i Efrona, zanak'i Seora, 9mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin'ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa. 10Ary Efrona nipetraka teo afovoan'ny zanak'i Heta. Efrona Heteana namaly an'i Abrahama teo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin'ny tanànany; hoy izy taminy: 11Tsia, Tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin'ny vadinao. 12Niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany Abrahama, 13ka niteny tamin'i Efròna teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany hoe: Aoka ihany re mba hohenoinao aho: Omeko ny vidin'ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko. 14Namaly Efròna ka nanao tamin'i Abrahama hoe: 15Henoy ny ahy, tompokolahy: tanin'efa-jato sikla volafotsy io; ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao. 16Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjain'i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia volafotsy efa-jato sikla, araka ny fandraisan'ny mpivarotra azy.
       17Koa amin'izany ny sahan'i Efrona, ao Makpelà, tandrifin'i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin'ny hazo ao anaty saha, ary ny hazo eny amin'ny sisiny manodidina; 18dia tapaka ho fananan'i Abrahama eo anatrehan'ny zanak'i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin'ny tanànany. 19Izay Abrahama vao nandevina an'i Sarà vadiny, tao an-johin'i Makpelà, tandrifin'i Mambre dia Hebrona izany, any amin'ny tany Kanaana. 20Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan'i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin'ny zanak'i Heta.
Jenezy toko 24
Ny fanambadian'Isaaka sy Rebekà.

       1Efa zoky olona sy nandroso fahanterana Abrahama sady nosoavin'ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra. 2Ary hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nanapaka ny fananany rehetra: Ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, 3hampianianiko anao amin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany fa tsy haka vady ho an'ny zanako ao amin'ny zanakavavin'ny Kananeana, izay iraisako monina, hianao, 4fa any amin'ny tanindrazako, any amin'ny tany nihaviako, no halehanao haka vady ho an'Isaaka zanako. 5Ary hoy ny navalin'ilay mpanompony: Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin'ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin'ny tany nihavianao? 6Hoy Abrahama taminy: Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. 7Iaveh Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon'ny raiko, sy tany amin'ny tany nahaterahako, izay niteny koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an'ny zanako hianao. 8Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin'izao fianianana ampanaoviko izao hianao; fa aza entinao mankany ny zanako. 9Dia napetrak'ilay mpanompo tao ambany fen'i Abrahama tompony ny tànany, ka nanao fianianana momba izany teo anatrehany.
Pejy: Voalohany  < 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 Manaraka  Farany