Jenezy toko 24 (tohiny)
60Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: Ho tonga alinalina anie hianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin'ny fahavalony anie ny taranakao!
61Dia niainga Rebekà sy ny ankizivaviny nitaingina teo ambony rameva, niaraka tamin-dralehilahy; ka roso ny dian'ity mpanompo, nitondra an-dRebekà.
62Tamin'izany Isaaka tonga avy any amin'ny fantsakan'i Kaï-Roy ka nonina teo amin'ny tany Atsimo. 63Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy. 64Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin'ny rameva; 65ary nanao tamin'ilay mpanompo hoe: Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry? Dia hoy ilay mpanompo: Ny tompoko iny. 66Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran'ity mpanompo tamin'Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony. 67Dia nampandrosoin'Isaaka Rebekà ho ao an-dain'i Sara reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Jenezy toko 25
Ny taranak'i Abrahama tamin'i Setorà - Ny nahafatesany - Ny taranak'Ismaely - Esao sy Jakoba, zanak'Isaaka.
1Ary Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany. 2Ka izao no naterak'io taminy: Zamràna, Jeksàna, Madàna, Madiàna, Jesbaoka ary Soe. 3Jeksàna niteraka an'i Sabà sy Dadàna; ny zanakalahin'i Ddadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima; 4Ny zanakalahin'i Madiàna dia Efà, Ofera, Henoka, Abidà, ary Eldao. - Ireo no zanakalahin'i Setorà rehetra.
5Natolotr'i Abrahama an'Isaaka ny fananany rehetra. 6Fa tolotànana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin'Isaaka hiantsinanana any amin'ny tany Atsinanana.
7Dimy amby fito-polo amby zato taona no andro niainan'i Abrahama, 8ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin'ny razany. 9Nalevin'Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin'ny zohy any Makpela, amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Seora, Heteana, tandrifin'i Mambre, 10dia ilay saha novidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta. Tao no nalevina Abrahama sy Sarà vadiny.
11Nony maty Abrahama nasian'Andriamanitra soa Isaaka zanany; ary tao akaikin'ny fantsakana "Lakaï-Roï" Isaaka no nonina.
12Izao no tantaran'Ismaely zanak'i Abrahama izay naterak'i Agara Ejipsiana mpanompovavin'i Sarà tamin'i Abrahama. 13Izao no anaran'ny zanakalahin'Ismaely, araka ny anaran'ny taranany avy: Nebaiota no lahimatoan'Ismaely, dia Sedara, Adbeela, Mabsama, 14Masmà, Domà, Masà, 15Hadada, Temà, Jetora, Nafisy ary Sedmà. 16Ireo no zanakalahin'Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin'ny folo amin'ny fokony.
17Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan'Ismaely dia niala aina izy; ka maty, ary nakambana tamin'ny razany. 18Ny taranany dia nonina hatrany Hevila ka hatrany Sora, tandrifin'i Ejipta tamin'ny làlana mankany Asiria. Nitatra tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
19Izao no tantaran'Isaaka zanak'i Abrahama. 20Abrahama niteraka an'Isaaka. Ary efa efa-polo taona Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak'i Batoela Arameana any Padan-Arama, sy anabavin'i Labana Arameana. 21Nangataka tamin'ny Tompo ho an'ny vadiny Isaaka, fa momba ravehivavy; ary nohenoin'ny Tompo ny fangatahany, ka dia nanana anaka Rebekà vadiny. 22Nifanosika tao an-kibo ireo zaza, ka hoy izy: Raha izany no izy, nahoana foana aho no dia bevohoka? Dia lasa nanontany tamin'ny Tompo izy, 23Ka hoy Iaveh taminy: Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin'ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.
24Dia tonga ny fotoana hahaterahany, ary zaza kambana no tao an-kibony. 25Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr'i Esao, ary nataony hoe Jakoba no anarany. 26Efa enim-polo taona Isaaka tamin'ny nahaterahan'izy ireo.
27Dia nitombo ireo zaza ireo ka Esao moa tonga mpihaza mahay, sy lehilahy mpiantsaha; fa Jakoba kosa lehilahy nandry fahizay, faly nipetraka tao an-day.
28Isaaka raiki-pitia an'i Esao, satria nankafy ny haza; fa Rebekà kosa tia an'i Jakoba.
29Nahandro hanina indrindra Jakoba no tonga avy any an-tsaha Esao, efa trotraky ny harerahana. 30Ka hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba avelao aho hihinana amin'ny mena, dia amin'io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anaran'i Esao hoe Edoma. 31Ary hoy Jakoba: Amidio amiko àry aloha ny fizokianao. 32Dia hoy Esao: Izaho aza efa ho faty, ka ho inoko akory izay fizokiana? 33Fa hoy Jakoba: Mianiàna àry amiko aloha. Dia nianiana izy, ka nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba. 34Izay vao nomen'i Jakoba mofo sy sosam-boanemba Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
Jenezy toko 26
Ny nitoeran'Isaaka tany Jerara - Fampanantenan'Andriamanitra - Fifankahazoana tamin'i Abimeleka.
1Nisy mosary indray tamin'ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon'i Abrahama. Ka lasa Isaaka nankany Jerara amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina. 2Ary Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin'ny tany izay holazaiko aminao. 3Dia eto amin'ity tany ity mitoetra; fa homba anao aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin'i Abrahama rainao. 4Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, 5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko. 6Dia nitoetra tao Jerara Isaaka.
7Nanontanian'ny olona tompon-tany ny amin'ny vadiny izy, ka namaly hoe: Anabaviko io, satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin'ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy. 8Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina. Ka indro Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.