Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
Voalohany  < 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 Manaraka  Farany
Jenezy toko 30 (tohiny)
21Nanaraka izany dia nitera-bavy izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany.
       22Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRasela, ka nihaino azy ka nampanana anaka azy. 23Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: Nesorin'Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako.
       24Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie Iaveh.
       25Nony efa niteraka an'i Josefa Rasela, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho handeha, hody any amiko sy any amin'ny taniko. 26Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin'ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay. 27Fa hoy Labana taminy: Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa hianao no nanambinan'ny Tompo ahy. 28Lazao amiko izay ho karamanao fa homeko tokoa. 29Hoy Jakoba taminy: Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko. 30Fa kely ny fanananao talohan'ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin'ny Tompo hianao, tamin'ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an'ny ankohonako? 31Dia hoy Labana: Inona àry no homeko anao? Ka hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona hinao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao. 32Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio: ka havahako ny sada sy ny mara amin'ny osy, dia ireo no karamako. 33Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako hianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin'ny osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako. 34Ka hoy Labana: Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany. 35Androtrizay ihany dia navahany ny osilahy sadìka sy mara, ny osivavy sadìka sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin'ny zanak'ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tànan'ny zanany lahy. 36Dia nasiany elanelany làlan-kateloana izy sy Jakoba. Ary ny biby fiompin'i Labana sisa, nandrasan'i Jakoba.
       37Naka tsora-kazo maitso, tamin'ny hazo peuplier sy amandier ary platane, Jakoba, nataony vaofy vandana, hisehoan'ny fotsy amin'ny tsora-kazo; 38dia napetrany teny amin'ny tatatra, teny amin'ny fisotroan-drano fisotron'ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason'ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro, 39ka nikambana teo anoloan'ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadìka sy mara ary sada. 40Novahan'i Jakoba ny zanak'ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadìka sy ny mainty rehetra amin'ny biby fiompy ananan'i Labana. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an'ny tenany, ka tsy nakambany tamin'ny biby fiompin'i Labana. 41Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon'i Jakoba tao anatin'ny fisotroan-drano talaky mason'ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambananany eo anilan'ny tsora-kazo; 42fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak'ondry osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa an'i Jakoba.
       43Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman'ampondra.
Jenezy toko 31
Ny niaingan'i Jakoba ho any Kanaana - Ny nanenjehan'i Labana azy - Fanekem-pihavanana nifanaovan'izy ireo.

       1Ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana dia nanao vava hoe: Lasan'i Jakoba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin'ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao. 2Hitan'i Jakoba fa niova taminy ka tsy tahaka ny taloha intsony ny endrik'i Labana. 3Ary Iaveh nilaza tamin'i Jakoba hoe: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao, fa homba anao aho. 4Ka dia nampilaza tamin-dRasela sy Lià izy hankany aminy any an-tsaha, tany amin'ny biby fiompy.
       5Dia hoy izy tamin'ireo: Hitako fa niova tamiko fa tsy tahaka ny taloha intsony ny tarehin-drainareo; fa efa nomba ahy Andriamanitry ny raiko. 6Fantatrareo ny nanompoako an-drainareo tamin'ny heriko rehetra, 7sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy. 8Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak'ondry; ary raha nataony hoe: ny sadìka rehetra no ho karamanao, dia sadìka avokoa ny terak'ondry. 9Koa Andriamanitra no naka ny ompin-drainareo, sy nanome izany ho ahy. 10Tamin'ny fotoana itadiavan'ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin'ny nofy, fa sadìka sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin'ny ondry vavy. 11Nisy anjelin'Andriamanitra nilaza tamiko, tamin'ny nofy hoe: Ry Jakoba! Ka novaliako hoe: Inty aho. Dia hoy izy: 12Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadìka sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin'ny ondry vavy, satria hitako ny nataon'i Labana taminao. 13Izaho no Andriamanitr'i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà hianao, mialà amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
       14Dia namaly Rasela sy Lià, ka nanao hoe: Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay? 15Tsy efa nataony toy ny vahiny va izahay, fa efa namidiny, ary haniny ny volanay? 16Tsy izany ihany koa, fa ny harena rehetra nalain'Andriamanitra tamin-drainay, dia azonay, izahay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, ataovy izay nandidian'Andriamanitra anao.
       17Dia niainga Jakoba. Natainginy tamin'ny rameva ny zanany sy ny vadiny. 18Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany Kanaana. 19Nandeha nanety ny ondry kosa Labana, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy. 20Ary Jakoba namitaka an'i Labana, Arameana, fa tsy nampandrenesiny azy ity hitsoahany. 21Dia nitsoaka izy, dia izy mbamin'ny fananany rehetra, ka niainga izy, dia nita ny ony ary nanitsy nankany amin'ny tendrombohitra Galaada.
       22Tamin'ny andro fahatelo dia nisy nilaza tamin'i Labana fa lasa nitsoaka Jakoba. 23Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada. 24Fa Andriamanitra kosa tonga tamin'i Labana, Arameana, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin'i Jakoba. 25Dia tratran'i Labana Jakoba. Ka Jakoba moa efa niorin-day teo an-tendrombohitra, Labana koa nanorina ny azy mbamin'ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada.
       26Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Fa naninona ity hianao? Nandiso fisainana ahy hianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra. 27Nahoana no nitsoaka mangina hianao, sady namitaka ahy, fa tsy nampandre ahy akory, dia ho nalefako hianao tamin-kafaliana sy hira, ary tamin'ampongatapaka sy valiha?
Pejy: Voalohany  < 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 Manaraka  Farany