Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 Manaraka  Farany
Jenezy toko 2 (tohiny)
20Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. 21Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony 22Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. 23Ary hoy ralehilahy: Amin'izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. 24Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
       25Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.
Jenezy toko 3
Fakam-panahy, fahalavoana, ary sazy nahavoa ny voalohan-dray aman-drenintsika.

       1Ny bibilava no fetsy indrindra amin'ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon'ny Tompo Andriamanitra. 2Hoy izy tamin-dravehivavy: Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin'ny hazo rehetra amin'ny saha hianareo? Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: Mihinana amin'ny voan'ny hazo amin'ny saha izahay; 3fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha no nanaovan'Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin'izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty hianareo. 4Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: Tsia, tsy ho faty akory hianareo; 5fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo amin'izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy. 6Ary hitan-dravehivavy fa ny voan'ilay hazo dia fihinana, mahate-hijery sy mendrika hoirina mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin'ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. 7Nisokatra ny mason'izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin'aviavy izy ireo nataony sikina. 8Tamin'izay dia ren'izy ireo ny feon'ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin'ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an'ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny. 9Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao? 10Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho. 11Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao? 12Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin'ilay hazo, dia nihinana aho. 13Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14Hoy Iaveh Andriamanitra tamin'ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin'ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin'ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony. 16Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka hianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin'ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao. 17Dia hoy izy tamin-dralehilahy: Noho hianao nihaino ny tenin'ny vadinao ka nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. 18Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. 19Ny fahatsembohan'ny tavanao ny hahazoanao hanina mandra-piverinao amin'ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray.
       20Ary Eva no nataon'i Adama anaran'ny vadiny, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
       21Nanaovan'ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra Adama sy ny vadiny dia natafiny azy. 22Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin'izao kosa aoka tsy haninjitra ny tànany izy haka amin'ny hazon'aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23Dia navoakan'ny Tompo Andriamanitra hiala tao amin'ny sahan'i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy. 24Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan'ny sahan'i Edena, mba hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.
Jenezy toko 4
Kaina sy Abela - Taranak'i Kaina - Ny nahaterahan'i Seta.

       1Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina, sy nanao hoe: Efa nampisy olona anankiray aho tamin'ny fanampian'ny Tompo. 2Dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Abela dia mpiandry ondry ary Kaina dia mpiasa tany.
       3Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany Kaina ho fanatitra ho an'ny Tompo. 4Ary Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak'ondriny, mbamin'ny taviny. Ary Iaveh nitsinjo an'i Abela sy ny fanatiny, 5fa tsy nijery an'i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin'izany Kaina, ary kivy endrika izy. 6Ary hoy Iaveh tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao, ary nahoana no kivy endrika? 7Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va hianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa hianao.
       8Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an'i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy. 9Dia hoy Iaveh tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy ny navaliny: Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho? 10Hoy Iaveh: Inona no nataonao? fa mitaraina hatraty amiko ny feon'ny ran-drahalahinao avy amin'ny tany. 11Amin'izao dia voaozon'ny tany hianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tànanao. 12Rehefa hiasa ny tany hianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary hianao ho mpanjenjena sy mpirenireny any ambonin'ny tany. 13Dia hoy Kaina tamin'ny Tompo: Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. 14Indro roahinao hiala amin'ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. 15Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. 16Rahefa izany dia niala teo anatrehan'ny Tompo Kaina, ka nonina tany amin'ny Noda, atsinanan'i Edena.
       17Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Enaoka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray Kaina ka nantsoiny hoe Enaoka, araka ny anaran-janany. 18Irada no naterak'Enaoka, ary Irada niteraka an'i Maviaela; Maviaela niteraka an'i Matosaela; Matosaela niteraka an'i Lameka.
       19Nampirafy roa Lameka; Adà no anaran'ny anankiray, ary Selà no anaran'ilay faharoa. 20Adà niteraka an'i Jabela; izy no rain'ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan'ny biby fiompy.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 Manaraka  Farany