Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
Voalohany  < 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 Manaraka  Farany
Jenezy toko 32 (tohiny)
23Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
       24Dia Jakoba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin'ny andro. 25Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavàn'ny feny no notendreny ka nivika tery ny fotopen'i Jakoba nandritra ny nitolomany taminy. 26Dia hoy izy tamin'i Jakoba: Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro. Fa hoy Jakoba: Tsy avelako handeha hianao raha tsy efa nitso-drano ahy. 27Dia hoy izy taminy: Iza no anaranao? Ary novaliany hoe: Jakoba. 28Ka hoy izy : Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin'Andriamanitra sy tamin'olombelona hianao ka nahery. 29Dia mba nanontany azy kosa Jakoba nanao hoe: Masìna hianao, mba ampahalalao ahy kely ny anaranao. Fa hoy izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitso-drano azy teo izy. 30Ary nataon'i Jakoba hoe Fanoely ny anaran'io tany io, fa hoy izy: Efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko. 31Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin'ny foto-peny. 32Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Israely ny hozatra lehibe ao amin'ny famavàn'ny fe mandrak'androany, dia noho ny nanendren'Andriamanitra ny famavàn'ny fen'i Jakoba teo amin'ny hozatra lehibe.
Jenezy toko 33
Nitohy indray ny fihavanan'i Jakoba sy Esao - Ny nahatongavan'i Jakoba tany Kanaana.

       1Ary natopin'i Jakoba ny masony, ka indro tamy Esao omban'olona efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lià sy ho amin'i Rasela ary ho amin'ny ankizivavy roa. 2Ny ankizivavy sy ny zanany no nanarakaraka; Rasela sy Josefa no vody làlana; 3ary ny tenany kosa nandeha teo alohan'ireo, ka niankohoka tamin'ny tany impito izy mandra-pahatongany teo anilan'i Esao, rahalahiny. 4Dia nihazakazaka nitsena azy Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo.
       5Nony nanopy ny masony Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: Iza avy ireto miaraka aminao? Ary hoy Jakoba: Ireo no zaza nomen'Andriamanitra ny mpanomponao. 6Nanatona ny ankizivavy, dia izy sy ny zanany, ka niankohoka; 7nanatona koa Lià sy ny zanany, ka niankohoka; farany, nanantona Josefa sy Rasela ka niankohoka. 8Ary hoy Esao: Kasainao hatao inona avy ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Dia hoy Jakoba: Ny mba hahitako fitia eo imason'ny tompoko. 9Fa hoy Esao: Efa manam-be aho, ry rahalahiko, ka tano ho anao ihany ny anao. 10Ary hoy Jakoba: Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin'ny tànako ny fanomezako; fa izany nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy. 11Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin'inon'inona aho. Dia notereny mafy teo Esao, ka nandray.
       12Ary hoy Esao: Ndao àry arosoy ny diantsika fa izaho no hiroso eo alohanao. 13Hoy ny navalin'i Jakoba: Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman'omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra. 14Ka aoka ny tompoko hialoha ny mpanompony; fa izaho kosa hanaraka miadana, araka ny dian'ny biby fiompy izay mandeha eo alohako, sy ny dian'ny ankizy, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira. 15Dia hoy Esao: Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin'ny olona miaraka amiko. 16Dia niverina anankany Seira androtr'iny ihany Esao.
       17Jakoba kosa nankao Sokota, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an'ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.
       18Dia tafaverina avy any Padan-Arama Jakoba ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin'ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan'ny tanàna. 19Novidiny vola zato kesità tamin'ny zanak'i Hemora, rain'i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay. 20Ary nanangana otely teo izy, ka nomeny anarana hoe: El-Elohe-Israely.
Jenezy toko 34
Ny nandotoan'i Sikema an'i Dinà, sy ny namalian'i Simeona sy Levì an'izany.

       1Ary Dinà zanakavavin'i Lià, naterany tamin'i Jakoba, nivoaka hizaha ny zazavavy tompon-tany. 2Ka hitan'i Sikema zanak'i Hemora, Heveana, andriana tamin'izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy. 3Raiki-pitia tamin'i Dinà, zanakavavin'i Jakoba, ny fon'i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy. 4Ary Sikema nilaza tamin'i Hemora rainy hoe: Alaovy ho vadiko io zazavavy io. 5Efa ren'i Jakoba ihany ny nandotoany an'i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin'ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan'ireo.
       6Dia nivoaka hiresaka amin'i Jakoba Hemora rain'i Sikema; 7ary efa tonga avy any an-tsaha koa ny zanak'i Jakoba vao nandre izany zavatra izany; tafintohina mafy ireo lehilahy ireo ka nisafoaka mihitsy izy ireo, fa nanao izay fady indrindra Sikema nanala baraka an'Israely tamin'ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba, ka zavatra tsy tokony hatao akory izany. 8Izao no nolazain'i Hemora tamin'izy ireo: Raiki-pitia amin'ny zanakavavinareo ny fon'i Sikema zanako; koa masìna hianareo, omeo azy ho vadiny. 9Aoka hifanambady anaka isika: ny zanakavavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo. 10dia honina aty aminay hianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany; na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany. 11Hoy kosa Sikema tamin'ny rain'i Dinà, sy ireo anadahiny: Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko, 12na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.
       13Saroro no navalin'ny zanak'i Jakoba an'i Sikema sy Hemora, rainy, noho ny nandotoan'i Sikema an'i Dinà, anabavin'izy ireo, 14ka hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora, fa fahavetavetana izany aminay. 15Izao ihany no azonay hanekena ny hatakareo; raha tonga tahaka anay hianareo, ka hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 16Amin'izay hianareo homenay ny zanakay vavy; izahay haka ny anareo ho anay. Dia honina ao aminareo izahay, ka ho firenena iray ihany isika. 17Fa raha tsy mety hihaino anay hianareo sy hifora dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay.
       18Sitrak'i Hemora sy Sikema, zanak'i Hemora, ny teniny; 19ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zakavavin'i Jakoba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy. 20Dia nankeo am-bavahadin'ny tanàna Hemora sy Sikema zanany, ka niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany nanao hoe:
Pejy: Voalohany  < 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 Manaraka  Farany