Jenezy toko 36 (tohiny)
11Ny zanakalahin'i Elifaza dia Temàna, Omara, Sefao, Gatama ary Seneza.
12Tamnà, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza. Ireo no zanakalahin'i Adà, vadin'i Esao.
13Izao kosa no zanakalahin-dRahoely: Nahata, Zara, Sammà, ary Mezà. Ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
14Ary izao no zanakalahin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, zanakavavin'i Sebeona, vadin'i Esao; niteraka an'i Jehosy sy Ihelona ary Kore tamin'i Esao izy.
15Izao no loham-pirenena amin'ny zanak'i Esao: Zanakalahin'i Elifaza: Temana, loham-pirenena; Omara, loham-pirenena; Sefao, loham-pirenena; Seneza, loham-pirenena. 16Kore, loham-pirenena; Gathama, loham-pirenena; Amaleka, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Elifaza amin'i Edoma. Zanak'i Adà ireo. 17Zanakalahin-dRahoely, zanak'i Esao: Nahata, loham-pirenena, Zarà, loham-pirenena; Sammà, loham-pirenena, ary Mezà, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin-dRahoely, amin'ny tanin'i Edoma. Zanak'i Basemata, vadin'i Esao, ireo. 18Zanakalahin'i Oolibamà, vadin'i Esao: Jehosy, loham-pirenena, Ielona, loham-pirenena; ary Kore, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, sy vadin'i Esao. 19Ireo no zanakalahin'i Esao, ireo no loham-pireneny; izany no Edoma.
20Izao kosa no zanakalahin'i Seira, Horeana, izay efa nonina teo amin'ny tany rahateo; Laotana, Sobala, Sebeona, Anà, Disona, Esera ary Disàna. 21Ireo no loham-pirenena amin'ny Horeana, zanakalahin'i Seira, tamin'ny tanin'i Edoma. 22Ny zanakalahin'i Laotana dia: Hori sy Hemana, ary Tammà no anabavin'i Laotana. 23Izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefao, ary Onama. 24Izao no zanakalahin'i Sebeona: Ajà sy Anà. Io Anà io no nahita ny loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ny ampondran'i Sebeona rainy izy. 25Izao no zanak'i Anà: Disona sy Oolibamà, zanakavavin'i Anà. 26Izao no zanakalahin'i Disona: Hamdàna, Esebana, Jetrama ary Karàna. 27Izao no zanakalahin'i Esera: Balana, Zavana, ary Akana. 28Izao no zanakalahin'i Disàna: Hosy sy Arama.
29Izao no loham-pirenena amin'ny Horeana: Laotana loham-pirenena, Sobala, loham-pirenena, Sebeona, Anà, loham-pirenena; 30Disona, loham-pirenena, Esera, loham-pirenena, Disana, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena Horeana izay samy loham-pirenena any amin'ny tanin'i Seira.
31Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin'ny tanin'i Edoma, talohan'ny nisian'ny mpanjaka nanjaka tamin'ny zanak'Israely. 32Belà, zanak'i Beora, nanjaka tany Edoma; ary ny anaran'ny tanànany dia atao hoe: Denaba. 33Dia maty Belà ary Jobaba, zanak'i Zoara, avy any Boarà, no nanjaka nandimby azy. 34Maty Jobaba, dia Hosama, avy amin'ny tanin'ny Temanita, no nanjaka nandimby azy. 35Maty Hosama, ary nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Nadada, ilay nandresy an'i Madiana, tany amin'ny tanin'i Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany. 36Maty Hadada, ary Semlà, avy any Masrekà, no nanjaka namdimby azy. 37Maty Semlà, ary Saola avy any Rohobota, amin'ny Ony, no nanjaka nandimby azy. 38Maty Saola, ary Balanàna zanak'i Akora, no nanjaka nandimby azy. 39Maty Balanàna, zanak'i Akora, dia nanjaka nandimby azy Hadara, ka ny anaran'ny tanànany dia Faho ary ny anaran'ny vadiny dia Meetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Mezaaba.
40Izao no anaran'ny loham-pirenena amin'ny taranak'i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà, loham-pirenena; Alvà, loham-pirenena; Jetela, loham-pirenena; 41Oolibamà, loham-pirenena; Ela, loham-pirenena; Finona, loham-pirenena, 42Seneza, loham-pirenena; Temàna, loham-pirenena; Mabsara, loham-pirenena. 43Magdiela, loham-pirenena; Hirama, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin'i Edoma, araka ny fonenany, any amin'ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain'i Edoma.
Jenezy toko 37
Josefa namidin'ny rahalahiny.
1Ary Jakoba niorim-ponenana teo amin'ny tany nitoeran-drainy any amin'ny tany Kanaana.
2Izao no tantaran'i Jakoba: Rahefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin'ireo zanak'i Balà sy tamin'ireo zanak'i Zelfah vadin-drainy; ka nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo Josefa. 3Tian'Israely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava. 4Nony hitan'ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.
5Nanonofy Josefa ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy. 6Hoy izy taminy: Aza mahafady, mba henoy kely ange ny nofy azoko: 7Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany. 8Ary hoy ireo rahalahiny taminy: Dia hanjaka aminay ve hianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e? Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
9Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy: Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako. 10Samy nilazany izany avokoa ny rainy sy ireo rahalahiny, ka notenenin-drainy mafy izy, nataony hoe: Ahoana no hevitr'izany nofinao izany? Izaho ve sy ny reninao ary ny rahalahinao tsy maintsy ho avy hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao? 11Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.
12Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin'i Josefa. 13Ka hoy Israely tamin'i Josefa: Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia hianao hirahiko ho any amin'izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho. 14Ary hoy Israely taminy: Mandehàna, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any. Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan'i Hebrona, dia lasa Josefa nankany Sikema. 15Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: Inona no tadiavinao? 16Dia hoy izy: Mitady ny rahalahiko aho; masìna hianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry. 17Ka hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dotaïna. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dotaïna.