Jenezy toko 41 (tohiny)
56Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta.
57Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra.
Jenezy toko 42
Voalohan-dian'ny zanak'i Jakoba tany Ejipta.
1Nony fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta, dia hoy izy tamin'ireo zanany lahy: Nahoana ireto hianareo no mifampijery foana eo? 2Dia hoy izy: Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any hianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty. 3Lasa nidina hividy vary any Ejipta ny rahalahin'i Josefa folo lahy. 4Fa Benjamina rahalahin'i Josefa tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka amin'ireo rahalahiny, fa hoy ny eritreriny: Sao dia idiran-doza any izy. 5Koa tonga hividy vary ireo zanak'Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
6Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin'i Josefa dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 7Vao nahita ireo rahalahiny Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy ny navalin'ireo: Avy amin'ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina. 8Koa Josefa nahalala ireo rahalahiny, fa ireo no tsy nahalala azy.
9Tsaroan'i Josefa tamin'izay ny nanofisany azy ireo, ka hoy izy taminy: Mpisafo hianareo; hizaha ny toerana tsy mimanda amin'ny tany no nahatongavanareo. 10Fa hoy ny navaliny azy: Tsia tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan'ny mpanomponao. 11Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao. 12Dia hoy izy taminy: Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin'ny tany no nahatongavanareo. 13Ary hoy ny navaliny: Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony. 14Fa hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo teo ihany no izy: mpisafo hianareo. 15Ka hotsapaina ny amin'izany hianareo. Raha velona koa Faraona tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy. 16Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa hianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa hianareo, raha velona koa Faraona. 17Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.
18Nony tamin'ny andro fahatelo, dia hoy Josefa tamin'izy ireo: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo, fa matahotra an'Andriamanitra aho: 19Raha olo-marina tokoa hianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary hianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo. 20Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty hianareo. Dia nataony izany. 21Ary nifampilaza izy nanao hoe: Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin'ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, tamin'ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan'izao fahoriana izay manjò antsika izao. 22Fa niteny tamin'izy ireo Robena ka nanao hoe: Tsy efa nilazako va re hianareo fa hoe: Aza manota amin'ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny ràny. 23Tsy fantatr'izy ireo ho nahalala ny teniny Josefa, satria mpandika teny no niresahany taminy. 24Ka nihataka niala teo amin'izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an'i Simeona tamin'izy ireo ary nampamototra azy teo imasony. 25Rahefa izany, dia nasain'i Josefa hofenoina vary ny lasakany, sy hatao ao anaty lasakany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dàlana. Dia natao taminy avokoa izany.
26Rahefa voataingina tamin'ny ampondra ny vary, dia niainga izy.
27Nony mby teo amin'ny toerana handriany, nanokatra ny lasakany ny anankiray tamin'izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasakany ny volany. 28Ka hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasakako. Kivy tery ny fon'izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: Fa nataon'Andriamanitra ahoana re izato isika.
29Niverina tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy: 30Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo tany izahay. 31Fa hoy izahay taminy hoe: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory. 32Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no iray ray; ny iray tsy velona intsony, ary ny faralahy any amin-drainy any amin'ny tany Kanaana izao. 33Nefa hoy ralehilahy tompon'ny tany, taminay: Izao ihany no hahafantarako fa olo-marina hianareo: avelao aty amiko ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo: ary ento izay hanafahana hanoanana ny fianakavianareo, dia mandehàna; 34ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo hianareo, fa olo-marina; ka amin'izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin'ny tany hianareo.
35Dia samy nandraraka ny tao anaty lasakany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasakany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra. 36Hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho, fa Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto, Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran'izany rehetra izany. 37Dia hoy Robena tamin-drainy: Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray. 38Fa hoy izy: Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin'ilay làlan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin'ny fonenan'ny maty, amin'alahelo, ny voloko fotsy.
Jenezy toko 43
Fanindroan'ny nakanesan'ny zanak'i Jakoba tany Ejipta.
1Nihamafy ny mosary tamin'ny tany; 2ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain'izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: Mandehàna indray mividy hanina kely ho antsika. 3Ka hoy Jodà namaly azy: Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao. 5Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6Nahoana hianareo, hoy Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: Mbola manan-drahalahy? 7Dia hoy iretsy: Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va hianareo? Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo. 8Ary Jodà nilaza tamin'Israely rainy hoe: Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiainganay sy handehanany, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy hianao, na ny zanatsika madinika. 9Izaho no hiantoka azy; eo an-tànako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin'ny andro rehetra hiainako aho. 10Fa raha tsy nijanonjanona izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay.