Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 Manaraka  Farany
Jenezy toko 4 (tohiny)
21Ny anaran'ny rahalahiny Jobala; izy no rain'izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina. 22Selà kosa niteraka an'i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran'ny anabavin'i Tobal-Kaina dia Noema.
       23Ary hoy Lameka tamin'ireo vadiny: Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin'i Lameka; Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.
       24Hovaliana faty impito heny Kaina, Ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny Lameka.
       25Ary Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: Nomen'Andriamanitra ny fara aho ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina. 26Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe Enosy. Vao tamin'izay no nanomboka niantso ny anaran'ny Tompo ny olona.
Jenezy toko 5
Ny taranak'i Seta zanak'i Adama, hatramin'i Noe.

       1Ity no boky misy ny tantaran'i Adama. Tamin'ny naharian'Andriamanitra ny olombelona dia nataony manahaka an'Andriamanitra izy. 2Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin'ny nahariany azy.
       3Telopolo amby zato taona ny andro niainan'i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta. 4Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 5Telopolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan'i Adama, dia maty izy.
       6Dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta vao niteraka an'i Enosy izy. 7Mbola velona fito amby valon-jato taona Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 8Dimy amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan'i Seta, dia maty izy.
       9Sivy folo taona ny andro niainan'i Enosy vao niteraka an'i Kainany izy. 10Mbola velona dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona Enosy taorian'ny niterahany an'i Kainany, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 11Dimy amby sivin-jato taona ny andro rehetra niainan'i Enosy, dia maty izy. 12Fitopolo taona ny andro niainan'i Kainany vao niteraka an'i Malaleela izy. 13Mbola velona efapolo sy valon-jato taona Kainany taorian'ny niterahany an'i Malaleela, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 14Folo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan'i Kainany, dia maty izy.
       15Dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Malaleela, vao niteraka an'i Jareda izy. 16Mbola velona telopolo amby valon-jato taona Malaleela taorian'ny niterahany an'i Jareda, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 17Dimy amby sivifolo sy valon-jato taona no andro rehetra niainan'i Malaleela, dia maty izy.
       18Roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda vao niteraka an'i Enaoka izy. 19Mbola velona telopolo amby valon-jato taona Jareda taorian'ny niterahany an'i Enaoka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 20Roa amby enim-polo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan'i Jareda, dia maty izy.
       21Dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enaoka vao niteraka an'i Matosalema izy. 22Mbola nizotra nifanaraka tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enaoka, taorian'ny niterahany an'i Matosalema, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 23Dimy amby enimpolo sy telon-jato taona no andro rehetra niainan'i Enaoka. 24Nizotra nifanaraka tamin'Andriamanitra Enaoka, dia tsy hita intsony, fa nentin'Andriamanitra izy.
       25Fito amby valopolo amby zato taona ny andro niainan'i Matosalema vao niteraka an'i Lameka izy. 26Mbola velona roa roa amby valopolo sy fiton-jato taona Matosalema taorian'ny niterahany an'i Lameka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 27Sivy amby enim-polo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan'i Matosalema, dia maty izy.
       28Roa amby valopolo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka vao niteraka zazalahy anankiray izy, 29nataony hoe Noe no anarany, fa hoy izy: Ity no hanamaivana antsika amin'ny fahasasarantsika sy amin'ny asa tànana mahasasatra avy amin'ity tany efa voaozon'ny Tompo. 30Mbola velona dimy amby fitopolo sy fiton-jato taona Lameka taorian'ny niterahany an'i Noe, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. 31Ary fito amby fitopolo sy fiton-jato taona no andro rehetra niainan'i Lameka, dia maty izy.
       32Rahefa diman-jato taona Noe, dia niteraka an'i Sema sy Kama ary Jafeta.
Jenezy toko 6
Ny anton'ny safo-drano - Filazana azy mialoha - Fiomanan'i Noe.

       1Nony efa niantomboka ho maro ny olona teto ambonin'ny tany ary efa niteraka zazavavy izy, 2dia hitan'ireo zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olombelona, ka naka vady tamin'izy ireo izy, dia tamin'izay rehetra tiany. 3Ary hoy Iaveh: Tsy hipetraka mandrakariva ao amin'ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roa-polo amby zato taona no androny. 4Ary tamin'izany andro izany dia nisy ny rapeton'olona teto ambonin'ny tany, dia rahefa nankamin'ny zanakavavin'ny olombelona ny zanak'Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
       5Hitan'ny Tompo fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan'ny fisainana rehetra avy amin'ny fony isan'andro. 6Ka nanenina Iaveh tamin'ny nahariany ny olombelona tambonin'ny tany; ary nalahelo tao am-pony izy, 7ka hoy izy hoe: Haringako tsy ho eo ambonin'ny tany ny olombelona nohariko, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voro-manidina, fa manenina aho noho ny nanaovako azy. 8Noe kosa anefa dia nahita fitia teo imason'ny Tompo.
       9Izao no tantaran'i Noe: Lehilahy marina Noe, nanao ny rariny teo amin'ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin'Andriamanitra Noe. 10Niteraka telo mirahalahy izy, dia Sema sy Kama ary Jafeta.
       11Ary tamin'izay nihasimba teo anatrehan'Andriamanitra ny tany, sy nihafeno faharatsiana. 12Nijery ny tany Andriamanitra ka indro, efa simba izy, fa samy efa nanimba ny làlany tambonin'ny tany avokoa ny nofo rehetra.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 Manaraka  Farany