Jenezy toko 6 (tohiny)
13Ka hoy Andriamanitra tamin'i Noe: Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran'ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin'ny tany. 14Ary hianao, manaova sambo fiara amin'ny hazo misy dity; asio efitrefitra izy, ary hosory ditin-tany ny atiny sy ivelany. 15Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan'ny sambo fiara; dimam-polo hakiho no sakany ary telo-polo hakiho no hahavony. 16Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin'ny tafo; ary varavarana iray amin'ny lafin'ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo. 17Ary izaho hahatonga ny safo-drano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon'aina eo ambanin'ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin'ny tany. 18Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara hianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao. 19Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velon'aina izy sy hianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo. 20Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin'ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velon'aina. 21Ary hianao kosa, itondray avokoa rahefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy hataonao sy izy ireo fihinana. 22Nanomboka nanao izany Noe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain'Andriamanitra nataony.
Jenezy toko 7
Ny nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara - Ny safo-drano.
1Hoy Iaveh tamin'i Noe: Midira ao an-tsambo fiara hianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin'izao olona miara-belona aminao izao, dia hianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako. 2Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; 3ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin'ny tany, lahy sy vavy. 4Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin'ny tany aho, mandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina; ka hofongorako eo ambonin'ny tany ny zavatra rehetra nataoko.
5Notanterahin'i Noe avokoa izay rehetra nasain'ny Tompo hataony. 6Efa enin-jato taona izy tamin'ny nahatongavan'ny safo-drano nanafotra ny tany. 7Niditra tao an-tsambo fiara Noe mbamin'ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano. 8Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin'ny tany; 9dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin'i Noe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian'Andriamanitra an'i Noe. 10Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin'ny tany ny safo-drano.
11Tamin'ny taona fahenin-jato niainan'i Noe, tamin'ny volana faharoa, andro fahafito ambin'ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin'ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon'ny lanitra, 12ary nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana nandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina. 13Tamin'izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara Noe, nomban'i Sema sy Kama ary Jafeta, zanakalahin'i Noe, ary ny vadin'i Noe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy; 14dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin'ny tany isan-karazany, ary ny voro-manidina rehetra isan-karazany, ny voronkely, ny manan'elatra rehetra. 15Nanatona tsiroaroa izy ireo avy amin'ny nofo rehetra manam-pofon'aina nankeo amin'i Noe tao an-tsambo fiara. 16Lahy sy vavy avy amin'ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian'Andriamanitra an'i Noe. Dia narindrin'ny Tompo teo ivohony ny varavarana. 17Naharitra efa-polo andro teo amin'ny tany ny safo-drano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin'ny tany. 18Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin'ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin'ny rano. 19Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin'ny lanitra manontolo. 20Ka tafasondrotra dimy ambin'ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy. 21Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany ary ny olombelona rehetra. 22Maty daholo rahefa mety ho zavatra mitoetra amin'ny tany maina, rahefa mety ho zava-manam-pofon'aina teo am-bavorony. 23Ringana avokoa rahefa mety ho zavatra tambonin'ny tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa Noe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. 24Dimam-polo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin'ny tany.
Jenezy toko 8
Ny niafaran'ny safo-drano - Ny nivoahana tao an-tsambo fiara.
1Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin'ny tany ary nihena ny rano; 2nikatona ny loharanon'ny hantsana sy ny vavahadin-dranon'ny lanitra; ary nitsahatra tsy nilatsaka avy any an-danitra ny ranonorana. 3Nisintona tsikelikely teo ambonin'ny tany ny rano nandroso nihemotra, ka nony afaka dimam-polo amby zato andro, dia nietry izy. 4Ary tamin'ny volana fahafito, andro fahafito ambin'ny folon'ny volana, dia niantsona teo ambonin'ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara. 5Nihena niandalandalana ny rano, hatramin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra.
6Nony afaka efa-polo andro, Noe dia namoha ny varavarankely nataony tamin'ny sambo fiara, 7ka nandefa ny goaika izay lasa nivaoka nefa niverimberina teo, mandra-paharitra ny rano tambonin'ny tany. 8Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin'ny tany na tsia. 9Tsy nahita izay hipetrahan'ny faladiany anefa ny voromailala, ka niverina nankeo amin'i Noe teo amin'ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin'ny tany. Dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin'ny sambo fiara. 10Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan'ny sambo fiara. 11Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva, ary indro ravin'oliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr'i Noe fa efa tsy voasaron'ny rano intsony ny tany. 12Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy. 13Tamin'ny taona faharaika amby enin-jato, tamin'ny volana voalohany, andro voalohan'ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noe ny tafon'ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon'ny tany. 14Ary tamin'ny volana faharoa, andro fahafito amby roa-polon'ny volana, dia maina ny tany.
15Ary tamin'izay dia niteny tamin'i Noe Andriamanitra nanao hoe: 16Mivoaha amin'ny sambo fiara hianao sy ny vadinao, ny zanakao lahy sy ny vinantovavinao miaraka aminao.