Eto ianao : Fandraisana> Baiboly
 < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 Manaraka  Farany
Jenezy toko 12 (tohiny)
2Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
       4Dia niainga Abrama araka ny tenin'ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa Lota. Efa dimy amby fito-polo taona Abrama fony izy niala tany Haràna. 5Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin'ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin'ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin'ny tany Kanaana izy.
       6Dia namaky ny tany Abrama, hatrany amin'ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin'ny terebintan'i More. 7Ny Kananeana tamin'izay no nitoetra tamin'ny tany. Niseho tamin'i Abrama Iaveh ka nanao hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Ary teo Abrama nanorina otely ho an'ny Tompo izay niseho taminy. 8Nifindra avy eo izy ho any amin'ny tendrombohitra ao atsinanan'i Betela, dia niorin-day izy, ka Betela teo andrefany ary Hay teo atsinanany. Ary nanorina otely ho an'ny Tompo izy teo, ka niantso ny anaran'ny Tompo. 9Dia nandroso ihany Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo.
       10Fa nisy mosary teo amin'ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin'ny tany. 11Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Fantatro fa noho hianao vehivavy tsara tarehy, 12rahefa mahita anao ny Ejipsiana dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy. 13Koa lazao fa anabaviko hianao, ka hianao no handraisany ahy tsara ary hianao no hamelany ahy ho velona. 14Nony tonga tany Ejipta Abrama, dia hitan'ny Ejipsiana fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. 15Nony nahita azy ny lehibe ao amin'i Faraona dia nataony laza masaka tamin'i Faraona izy: ary nalaina ho ao an-dapan'i Faraona ravehivavy. 16Nasiany soa Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondravavy sy rameva. 17Nefa loza mafy dia mafy no namelezan'ny Tompo an'i Faraona sy ny ankohonany, noho ny amin'i Saray vadin'i Abrama, 18ka nampaka an'i Abrama Faraona nilazany hoe: Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, 19fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana. 20Dia nohafatrafaran'i Faraona ny mpanompony, ny amin'i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban'ny fananany rehetra.
Jenezy toko 13
Ny niverenan'i Abrama tany Kanaana - Ny nisarahany toerana tamin'i Lota - Ny tso-dranon'Iaveh tamin'ny Abrama indray.

       1Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy. 2Nanana harena be tokoa Abrama, dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena. 3Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin'ilay niorenany lay tamin'ny voalohany, anelanelan'i Betela sy Hay; 4dia tao amin'ilay tany nisy ny otely natsangany taloha. Ary teo Abrama niantso ny anaran'ny Tompo.
       5Lota izay niara-dia tamin'i Abrama, dia mba nanana omby aman'ondry sy lay koa; 6ka tsy ampy hiarahan'izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy. 7Nifanditra ny mpiandry ondrin'i Abrama sy ny mpiandry ondrin'i Lota. Ny Kananeana sy ny Ferezeana no nitoetra tamin'ny tany tamin'izay. 8Dia hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re tsy hifanditra izaho sy hianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika. 9Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra? Ka aoka hisaraka amiko hianao. Raha mankany amin'ny havia hianao dia ny havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin'ny havanana hianao dia ny havia no halehako. 10Dia nanopy ny masony Lota ka nahita ny tany lemak'i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan'ny nandravan'ny Tompo an'i Sodoma sy Gomora, dia tahaka ny sahan'ny Tompo, tahaka ny tany Ejipta akaikin'i Tsoara. 11Ka dia ny tany lemak'i Jordany no nofidin'i Lota ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan'izy roa lahy. 12Abrama nonina tamin'i Kanaana, ary Lota kosa nonina tao afovoan'ireo tanàna eo amin'ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sodoma. 13Ary ny mponina tany Sodoma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin'ny Tompo.
       14Ary hoy Iaveh tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy: Atopazy ny masonao ary eto amin'ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana; 15fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao. 16Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao. 17Koa mitsangàna hianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy. 18Dia nifindra toby Abrama ka nandeha nonina teo amin'ny terebintan'i Mambre, izay any Hebròna, ary teo izy nanangana otely ho an'ny Tompo.
Jenezy toko 14
Ny namonjena an'i Lota - Ny nifanenan'i Abrama tamin'i Melkisedeka.

       1Tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Senaara, sy Ariòka, mpanjakan'i Elasara, sy Kodorlahomora, mpanjakan'i Elama, ary Tadala, mpanjakan'i Goima, 2dia sendra rafitra ady izy ireo tamin'i Barà, mpanjakan'i Sodoma sy Bersà, mpanjakan'i Gomora, sy Senaaba, mpanjakan'i Adamà, sy Seneber, mpanjakan'i Seboima, ary ny mpanjakan'i Balà, dia Segora izany. 3Nivory tao an-dohasahan'i Sidima, dia ny ranomasin-tSira izany, ireto an-daniny farany ireto; 4fa efa nanoa an'i Kodorlahomora roa ambin'ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo.
       5Nony tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo anefa, niainga Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarota-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin'ny tany lemak'i Kariataima; 6ary ny Horeana teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El-Faràna, izay ao akaikin'ny efitra. 7Rahefa izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan'i Fitsarana, dia Kadesa izany, ka namely ny tanin'ny Amalesita rehetra mbamin'ny Amoreana izay nonina tany Asason-Tamara. 8Tamin'izay no nivoahan'ny mpanjakan'i Seboima, ary ny mpanjakan'i Balà, dia Segora izany, nilahatra tao an-dohasahan'i Sidima hiady tamin'ireo, 9dia tamin'i Kodorlahomora, mpanjakan'i Elama, Tadala, mpanjakan'i Goima, Amrafela, mpanjakan'i Senaara, ary Ariòka, mpajakan'i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. 10Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan'i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tamin'ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. 11Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora, mbamin'ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy. 12Lota zana-drahalahin'i Abrama dia nobaboin'izy ireo hatramin'ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sodoma Lota.
       13Dia tonga ny anankiray tamin'ireo mpandositra nilaza izany tamin'i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin'ireo terebintan'i Mambre, dia ilay Amoreana rahalahin'i Eskola sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin'i Abrama ireo.
Pejy:  < 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 Manaraka  Farany